vendredi 3 mars 2017

Te hampitombo lanja?

Maro ny tanora, indrindra fa ny tovolahy, no mba maniry ho lasa ngeza na koa hoe bokona (na dia tsy vitsy koa aza ireo te hanena vatana). 


Mba hanomezana fahafaham-po antsika dia indro ary misy torohevitra tsotra kanefa azo tanterahina tsara mba hampitombo ny lanjanao. Marihiko eto ampanombohana fa mila arahina tsara ny toro-hevitra rehetra vao ho tonga amin'izay eritreritrao ianao.

Voalohany: Ny torimaso (ora 07 raha kely indrindra.) 

Ny torimaso dia manampy betsaka ny vatatsika olom-belona amin'ny famerenana amin'ny laoniny ireo sela maty (aza hadino fa tamba-tsela ny vatatsika).
Noho izany dia miantoka betsaka ny fahasalamana ny torimaso ka ny vatana salama no afaka mitombo.

Faharoa: Ny sakafo (2000 cal isan'andro no otrikaina na calorie ilain'ny vatan'olombelona, manana vatana afaka mihetsika).

Mila mahafantatra ny "apport énergétique" entin'ireo sakafo izay hanintsika isika raha te hampitombo vatana. Mila glucide, protide, lipide ary sels minéraux ny vatan'olombelona ka ireo no mitambatra manome ny calorie ilain'ny vatana. Raha te hampitombo lanja noho izany dia mila tonga hatrany amin'ny 50% ny sakafo ny glucide, 25% ny protéine ary 20% ny lipide ary 5% ny sels minéraux.
Ireto misy ohatra vitsivitsy ny amin'ireo sakafo tokony hohanina:
Glucide: Vary, Mofo vita amin'ny "farine de blé", ovy, vomanga sns...
Protide (protéine): Atody, Nofo-kena, nofon'akoho, trondro, lentille, (mitovitovy amin'ny tsiasisa), ronono sns...
Lipide: soja, menaka avy amin'ny zava-maniry, beurre, margarine sns...
Indro ary misy modely fomba fisakafoanana tsara raha te hahazo lanja:
Sakafo maraina: Mofo misy dobera 200gsm + Ronono 01 vera + Voankazo (akondro no tsara) + Atody nendasina (oeuf sur plat).
Sakafo atoandro: Vary + Laoka (trondro) + Ranom-boankazo + voankazo (misy fibre toy ny manga)
Sakafo hariva: Pomme frite + Steak + yaourt

Eny anelanelam-potoana (amin'ny 09 ora sy amin'ny 04 ora) dia tokony hihinana sakafo maivana: mofo nasiana fromage + ranom-boakazo natoraly na aza tapahina miaraka aminao ny noix d'acajou satria dia tena betsaka calorie tokoa.

Fadio ny misotro rano eo ampisakafoana satria mahatara ny fandevonan-kanina izany ka mety hampitombo haingana ny kibo. Tsara kokoa raha 01 ora aloha sy aorian'ny sakafo no misotro rano ary rano 06 vera isan'andro no tena idealy.

Raha hitanao fa somary mavesatra ny vavony dia mazotoa misotro "rano visy" mba hanamora ny fandevonan-kanina, indrindra hoan'ireo misakafo anelanelam-potoana.


Fahatelo: Ny fanatanjahantena

Aza hadino anefa fa mba handorana ireo calorie ireo dia tokony manao fanatanjahan-tena 1/2 ora (na 30 minitra) ianao isan'andro, na dia dia an-tongotra aza dia efa mety izany.
Tadidio fa ny ngeza akory tsy midika hoe matavy izay!!!

SAKAFO ARA-PAHASALAMANA IHANY NO TENA IDEALY.

copyright: Farango Sosona 2017

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire